JESOSY

NY FIAINANY, NY FAMPIANARANY

 

Boky  1

NY NAHATERAHAN’I JESOSY SY NY FAHAZAZANY

 

"Tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana" 1 Timoty 4. 13

 

"Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo" Matio 28. 19-20

 

"Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy" Efesiana 6. 4

 

 

Ny olombelona dia noarìn’Andriamanitra hitovy endrika aminy, mba hifandray aminy sy hanome voninahitra Azy. Tsy hainy anefa ny namaly izany nandrasan’Andriamanitra taminy izany, ary nifidy mihitsy aza izy ny tsy hankatò an’Andriamanitra, fa hihaino ilay fahavalony, dia Satana. Koa nanjary mpanota ny olona, ary noroahina tsy ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, Izay masina ary tsy afaka hahita ny ratsy ka tsy hanasazy izany. Koa nanomboka teo dia teraka mpanota avokoa ny olombelona rehetra, ary tsy manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ireo heviny manohitra Azy sy ireo asa ratsiny.

 

Nefa Andriamanitra dia fitiavana ihany koa ary maniry ny fahasambaran’ny voariny. Koa dia namolavola drafitra Izy mba hamonjeny ny olona very : nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany, Jesosy Kristy, Izay fanehoana an’Andriamanitra mihitsy ; nietry Izy, niaina toy ny olombelona —saingy olona lavorary— mba ho faty ka hitondra eo amin’ny tenany ny fanamelohana sahaza ny fahotantsika.

 

-      Ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho olona eto an-tany dia efa nambara mialoha elabe tamin’ny vahoaka Israely, ilay vahoaka nofidin’Andriamanitra manokana hanehoana ny tenany ; noraketina tao amin’ny Testamenta Taloha ny tantaran’izany vahoaka izany. Andriamanitra dia nampanantena ny vahoakany, izay matetika no nataon’ireo fahavalony tsindry hazo lena nandritra ny tantarany satria nanalavitra Azy, fa handefa ny Mesia na Kristy  —izany hoe Ilay “voahosotr’ ”Andriamanitra, na Ilay "nofidiny"— mba hanafaka azy ireo sy hametraka fanjakana be voninahitra, “fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay(Daniela 2. 44).

 

Nanome antsipiriany maro Andriamanitra, tamin’ny alalan’ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha, momba Ilay ho teraka “Mpanjakan’ny Jiosy”.

Koa efa nambaran’Andriamanitra mialoha :

-      ny fomba mahagaga hahaterahan’i Kristy : “Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo : Indro, hanana anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataony hoe Imanoela” (Isaia 7. 14) —Imanoela dia midika hoe : “Andriamanitra amintsika” ; ary na ny toerana hahaterahany aza dia efa voaloza mialoha : Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Israely ; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay(Mika 5. 1) ;

 

-      ny fomba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra : “Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina ; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana ; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah ; ary ho hanitra ankasitrahina aminy ny fahatahorana an’i Jehovah” (Isaia 11. 2-3) ;

 

-      anarana sasantsasany hoentiny : “Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana(Isaia 9. 6) ;

 

-      toetra mampiavaka Azy :
ny fahendreny : “Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry
(Isaia 52. 13) ;
ny fahamoram-pony sy ny fanetrentenany
: “Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dàlana(Isaia 42. 2) ;

 

-      ny haha Izy Azy ny Mpamonjy, ho an’ny Israely : “Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba ... sy hampody ny Israely sisa voaro” (Isaia 49. 6) ;

 

-      ny haha Izy Azy ny Mpamonjy, ho an’ny jentilisa : “fanazavana ny jentilisa koa ...,

mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany” (Isaia 49. 6) ;

 

-      ny hotanterahin'ny Mpamonjy : “… hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala ao an-trano famatorana” (Isaia 42. 7).

 

Nampanantena ny vahoakany Andriamanitra fa ho avy Ilay Mesia-Mpanjaka be voninahitra : “Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra(Isaia 52. 13) ; nefa nolazainy ihany koa fa tsy maintsy tonga am-panetrentena ny Kristy, ary hietry mba hahazoany manonitra ny fahotantsika : “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana...; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika ; kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53. 3-5).

 

Raha niandry ny Mesia ny vahoaka jiosy, dia ny lafiny be voninahitra manindrahindra ny fireneny no noheveriny, nefa ve izy ireo ho vonona hanaiky Mesia tonga am-panetrentena eo anivon’izy ireo ?

 

Tamin’ny fotoana nofidin’Andriamanitra, dia teraka ilay iraka tokony ho avy alohan’i Kristy, mba hanomana ny Israely handray ny Mesiany —ary izao no efa nolazain’Andriamanitra momba io iraka io : “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako” (Malakia 3. 1). Jaona tokoa mantsy, ilay irak’Andriamanitra, dia tonga mba haneho tamin’ny Israely ilay Mesia nambara tao amin’ny Testamenta Taloha, “Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany dia Jesosy” (Jean 1. 45) : ao aminy no tanteraka ireo fampanantenana natao tamin’ny Israely.

 

Fanamarihana

Mba hahafantarana bebe kokoa an’i Jesosy Kristy, dia azo atao ny mamaky ny Baiboly iray manontolo, satria ny boky tsirairay ao dia mampiseho lafiny amin’ny toetran’io Olona mahagaga io. Nefa raha vao manomboka, dia aleo aloha mamaky ireo filazantsara efatra, mba hahafantarana ny fiainany sy ny fampianarany, satria lafiny iray misongadina momba an’i Jesosy no asehon’ny tsirairay amin’izy ireo :

        - Matio, izay nanoratra ho an’ny mpamaky jiosy, dia manaporofo, amin’ny fitanisany andininy marobe ao amin’ny Testamenta Taloha, fa Jesosy tokoa no Ilay Mesia efa nandrasana hatry ny ela ;

        - Marka dia mitantara tsotra ny nataon’i Kristy, ary noho izany, dia mampiseho Azy ho Ilay Mpanompon’Andriamanitra lavorary ;

        - Lioka dia mampiseho ny lafiny maha Olona ny Tompo, ny Zanak’olona, tonga mba hamaly ny hetahetan’ny olombelona ao anaty fahantrany ;

        - Jaona indray, dieny eo am-piandohan’ny filazantsara nosoratany, dia manaiky fa Jesosy no Ilay Mesia, Ilay Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra eto amintsika, eto an-tany, tonga mba hamonjy ireo rehetra mino.

 

Boky  1

NY NAHATERAHAN’I JESOSY SY NY FAHAZAZANY

NY NISEHO TALOHAN’NY NAHATERAHAN’I JESOSY, ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA,
ILAY KRISTY, MPANJAKAN’NY JIOSY, MPAMONJY IZAO TONTOLO IZAO

 

 

FANAMBARANA NY HAHATERAHAN’I JAONA, ILAY IRAKA NASAINA NANOMANA NY ISRAELY HANDRAY NY KRISTY

 

n  Zakaria sy Elizabeta dia mpivady efa antitra, mpivavaka, tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, saingy tsy nanan-janaka izy ireo, satria momba i Elizabeta. 

Lioka 1. 5-7

5 Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia ; ary ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany.
6 Ary samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo.

7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta ; ary samy efa antitra izy mivady.

 

n  Nisy anjely nilaza tamin’i Zakaria fa hitera-dahy izy. Ny anaran’izany zaza izany dia hatao hoe Jaona (midika hoe : namindra fo Andriamanitra). Natokana ho an’Andriamanitra hatramin’ny nahaterahany i Jaona, ary ny asa nanirahana azy dia ny hiantso ny vahoaka hibebaka, izany hoe hahatsiaro fa mpanota, tokony hiala amin’ny fomba ratsy niainana, hahafoy ireo fahotana, hiverina amin’Andriamanitra. Jaona dia ho mpaminany lehibe nirahina hiantso ho an’Andriamanitra, vahoaka voaomana, vonona handray ny Kristy, ary izany Kristy izany sy ny fanjakany no hambaran’i Jaona.  

Lioka 1. 8-19

8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ny antokony,

9 araka ny fanao amin’ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.

10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.

11 Ary nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.

12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.

13 Fa hoy ilay anjely taminy : Aza matahotra, ry Zakaria ; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.

14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao ; ary maro no hifaly amin’ny hahaterahany.

15 Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.

16 Ary maro amin’ny Zanak’Israely no hampodiny amin’i Jehovah Andriamaniny.

17 Ary izy handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo.

 

n  Tsy nino izay nolazain’ilay anjely i Zakaria.

Lioka 1. 18

18 Ary hoy Zakaria tamin’ilay anjely : Inona no hahafantarako izany ? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko?

 

n  Manoloana ny tsy finoan’i Zakaria, dia lazain’ilay anjely azy ny anarany : Gabriela, midika hoe “Mahery Andriamanitra”.

Lioka 1. 19

19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe : Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra ; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.

 

n  Noho ny tsy finoany, dia ho moana i Zakaria mandra-pahaterak’ilay zaza.  

Lioka 1. 20-23

20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ny andro hisehoan’izany zavatra izany, ho valin’ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoanany.

21 Ary ny olona dia niandry an’i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny tempoly.
22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy ; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ny tempoly izy ; ary izy nanao baikon’ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.

23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.

 

n  Tanteraka ny nolazain’ilay anjely : nitoe-jaza i Elizabeta, izy izay tsy afaka nanan-janaka satria momba sady antitra. Toe-panahy araka an’Andriamanitra hatrany no nasehony, manoloana ny fahatanterahan’izany fampanantenan’Andriamanitra izany.

Lioka 1. 24-25

24 Ary taorian’izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe :

25 Izao no nataon’ny Tompo tamiko tamin’ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ny olona.

 

Tadidiako fa :

Izay nolazaina tao amin’ny Testamenta Taloha momba ny fahatongavan’ny Mesia eto an-tany, dia eo an-dalam-pahatanterahana, tamin’ny nanambarana ny hahaterahan’i Jaona, ilay mpaminany tokony ho tonga alohan’ny Kristy, mba hanomana ny vahoaka Israely handray ny Mpamonjy azy, ny Mpanafaka azy, ny Mpanjakany. Ny fahaterahan’i Jaona dia fahagagana, satria Elizabeta, izay momba, no niteraka azy. Nefa io fahaterahana io dia manambara fahagagana mbola lehibe kokoa : ny fahaterahan’ny Zanak'Andriamanitra, ny Kristy, Izay nateraky ny virijina !

 

 

 

NAMBARA TAMIN’I MARIA

FA NOFIDIN’ANDRIAMANITRA IZY

HITERAKA NY ZANAK'ANDRIAMANITRA, NY KRISTY

 

n  Nambaran’ny anjely Gabriela an’i Maria, tovovavy virijina, fa hitondra vohoka zazalahy avy amin’Andriamanitra izy. Ny anarany dia hatao hoe Jesosy (midika hoe : Jehovah no Mpamonjy). Homen’Andriamanitra fanjakana Izy, ary ho Mpanjaka ao. 

Lioka 1. 26-33

26 Ary tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,

27 ho any amin’ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ny taranak’i Davida ; ary ny anaran’ny virijina dia Maria.

28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe : Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.

29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.

30 Ary hoy ilay anjely taminy : Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao.

31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY.
32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy ;

33 ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.

 

n  Nohazavain’ilay anjely tamin’i Maria fa hotorontoronina ao an-kibony io Zaza io, noho ny asan’ny Fanahy Masina mivantana. Noho izany, Ilay Zaza ho teraka, Izay masina, dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.

Lioka 1. 34-35

34 Ary hoy Maria tamin’ilay anjely : Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho ?

35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe : Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao ; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.

 

n  Nino i Maria ka nanaiky ny maha Tsitoha an’Andriamanitra.

Lioka 1. 36-38

36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza ; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.

37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.

38 Dia hoy Maria : Inty ny ankizivavin’ny Tompo ; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.

 

 

MARIA NAMANGY AN’I ELIZABETA,

ILAY HO RENIN’I JAONA MPANAO BATISA

 

n  Maika i Maria hizara ny hafatra nentin’ilay anjely, ka nandeha namangy an’i Elizabeta havany. Raha nandre ny fiarahaban’i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ilay zaza tao an-kibony. Feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nahatakatra ny dikan’izany fihetsik’ilay zaza izany, ary naminany tamin’i Maria izy fa ho tanteraka izay nolazain’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’ilay anjely : Maria tokoa no nifidin’Andriamanitra hiteraka ny Zanak4Andriamanitra, ny Kristy.

Lioka 1. 39-45

39 Ary Maria niainga tamin’izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin’ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda ;

40 ary niditra tao an-tranon’i Zakaria izy ka niarahaba an’i Elizabeta.

41 Ary rehefa ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony ; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,

42 dia niantso tamin’ny feo mahery hoe izy : Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.

43 Avy aiza no ahatongavan’izao amiko, no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho ?

44 Fa, indro, raha vao ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko.

45 Ary sambatra ianao izay nino ; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao.

 

n  Nankasitraka an’Andriamanitra i Maria, satria izy no nofidiny hiteraka ny Zanak'Andriamanitra, ny Kristy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. Nihira ny fahalehibeazan’Andriamanitra izy, Izay nanao zavatra lehibe tamin’ny alalana olona ambany, Izay tsy nanadino ny mahantra sy ireo anjakazakan’ny manampahefana, ary Izay tonga hamonjy ny Israely vahoakany.

Lioka 1. 46-55

46 Ary hoy Maria :

Ny foko mankalaza ny Tompo,

47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy ;

48 Fa efa nijery ny fahambany toetran’ny  ankizivaviny Izy.

Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho.

49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko ;

Ary masina ny anarany.

50 Ary ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy

Hatramin’ny taranaka faramandimby.

51 Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny Izy ;

Nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ny fiheveran’ny fony Izy.

52 Nampiala ny lehibe tamin’ny sezafiandrianany Izy,

Ary nanandratra ny ambany kosa.

53 Ny noana novokisany soa ;

Fa ny manankarena kosa nampialàny maina.

54 Niahy an’Israely mpanompony Izy,

Fa nahatsiaro ny famindrampony

55 (Araka ny voalazany tamin’ny razantsika),

Tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.

 

n  Nody tany aminy, tany Nazareta, i Maria.   

Lioka 1. 56

56 Ary Maria nitoetra teo amin’i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.

 

Tadidiako fa :

Anjely no nilaza ny fahatongavan’ny Mesia teto an-tany, sy ny fahatongavan’ny mpaminany mialoha lalana Azy.

Nandray an’i Maria tonga namangy azy i Elizabeta, ary nanamafy ny tenin’ny anjely Gabriela taminy.

Ny fihirana nataon’i Maria dia mampianatra antsika fa, raha manao tsindry hazo lena ny mahantra ireo manam-pahefana, Andriamanitra kosa dia miditra an-tsehatra hitsinjo azy ireo. Miditra an-tsehatra ihany koa Izy hanao soa ny Israely, noho ireo fampanantenana efa nataony fahizay.   

 

 

NY NAHATERAHAN’I JAONA MPANAO BATISA

ILAY IRAKA NASAINA NANOMANA NY ISRAELY HANDRAY NY KRISTY

 

n  Elizabeta, ilay vehivavy momba, dia niteraka ilay ho mpaminanin’ny Avo indrindra. Tamin’ny nifidianana ny anaran’ilay zaza, dia nankatò ny anjely i Zakaria, na dia nanohitra aza ny havany sy ny mpiara-monina : Jaona no nataony anaran-janany (anarana midika hoe : namindra fo Andriamanitra)

Lioka 1. 57-63

57 Ary tonga ny andro hahaveloman’i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.

58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibeazin’ny Tompo ny famindrampony taminy ; dia niara-nifaly taminy ireo.

59 Ary tamin’ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.

60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe : Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.

61 Fa hoy izy ireo taminy : Tsy misy na dia iray akory aza amin’ny havanao izay manana izany anarana izany.

62 Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.

63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe : Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.

 

n  Rehefa nohamafisin’i Zakaria ny anaran’ilay zaza, dia tsy moana intsony izy, ary ny teniny voalohany dia fiderana an’Andriamanitra.

Lioka 1. 64

64 Ary dia nisokatra niaraka tamin’izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany ; dia niteny izy ka nidera an’Andriamanitra.

 

n  Nahavariana ny nahaterahan’i Jaona : niresaka izany avokoa ny olona rehetra, maro no gaga, ny sasany tena taitra.

Lioka 1. 65-66

65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy ; ary niely teny amin’ny tany havoanan’i Jodia rehetra ny lazan’izany rehetra izany.

66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe : Ho zaza hanao ahoana re io ? Fa ny tànan’ny Tompo nomba azy.

 

n  Feno ny Fanahy Masina i Zakaria, ka nankalaza ny famonjena lehibe hataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Andriamanitra tokoa mantsy, raha nandefa Mpamonjy hamonjy ny vahoakany amin’ny fahotany sy hanafaka ny Israely amin’ireo fahavalony (ireo izay nanapaka azy taloha), dia hamela ny vahoakany hanompo Azy malalaka amin’izay.

Lioka 1. 67-75

67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe :

68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely ;

Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,

69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika

Ao amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy.

70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola),

71 Dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika,

Sy amin’ny tànan’izay rehetra mankahala antsika ;

72 Manefa famindrampo amin’ny razantsika Izy

Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,

73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika,

74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,

Satria afaka amin’ny fahavalontsika isika,

75 Amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.

 

n  Maminany i Zakaria momba izay asa hanirahana an’i Jaona.

Lioka 1. 76-79

76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra ;

Fa hialoha eo anatrehan’ny Tompo ianao hamboatra ny làlany.

77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena

Amin’ny famelana ny helony,

78 Noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika.

79 Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana,

Hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana.

 

n  Nitombo i Jaona, saingy niaina lavitra ny olona izy, niafina tany an-taniefitra.

Lioka 1. 80

80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy ; ary nitoetra tany an’efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Israely.

 

Tadidiako fa :

Zakaria, Elizabeta, Maria, Josefa no olona nampiasain’Andriamanitra hanatanteraka ny drafitra nomaniny : ny fahatongavan’ny Zanak'Andriamanitra, ny Kristy, eto an-tany. Nisongadina tamin’izy rehetra ireo ny toe-panahiny araka an’Andriamanitra ; nino an’Andriamanitra izy ireo ary vonona hihaino ny tenin’ny Fanahin’Andriamanitra ; mankatò ny didin’Andriamanitra izy ireo, na dia tsy takatry ny sainy aza. Koa fitaovana tsy malaza izany no ampiasain’Andriamanitra hanatanteraka ny drafi-pitiavany ho famonjena ny zanak’olombelona.

 

 

NY NAHATERAHAN’I JESOSY, ILAY KRISTY

 

n  Sahiran-tsaina i Josefa : tsy azony hoe nahoana i Maria fofombadiny no bevohoka. Tsy te hiampanga azy ampahibemaso izy, fa nieritreritra ny hisaraka taminy mangingina. Ary nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy, nanambara taminy fa Maria, izay virjiny, dia bevohoka noho ny herin’ny Fanahy Masina. Dia tanteraka izay nolazain’Andriamanitra momba ny famantarana manokana milaza ny hahaterahan’i Kristy hoe : “Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy”.

Matio 1. 18-23

18 Ary ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao :

Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy.

19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao ; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,

21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe :

23 “Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ;

Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela” (Isa. 7. 14),

izany hoe, raha adika : “Amintsika Andriamanitra”.

 

n  Nankatò izay nolazain’ny anjely taminy i Josefa, ka nampakatra an’i Maria ho vadiny.

Matio 1. 24-25

24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ny anjelin’ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny.

25 ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy ; ary ny anarany nataony hoe JESOSY.

 

n  Bevohoka i Maria noho ny herin’ny Fanahy Masina, fa Ilay Zaza Izay Andriamanitra, Ilay Kristy, tao an-kibony, dia tokony ho teraka any Betlehema, araka ny faminaniana hoe : “Ry Betlehema ... avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Israely ; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay(Mika 5. 1). Dia hiasa Andriamanitra mba ho teraka any Betlehema, ilay tanànan’ny mpanjaka, ny Kristy, Izay mpandova ny sezafiandrianan’i Davida. Koa tsy fantatry ny emperora Aogosto akory fa ho anisan’ny fitaovana hampiasain’Andriamanitra izy hahatanteraka ilay drafitra mahagaga nomaniny : ny fahaterahan’ny Kristy any Betlehema.

 

Lioka 2. 1-3

1 Ary tamin’izany andro izany dia nisy didy navoakan’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany.

2 (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)

3 Dia samy nankany amin’ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.

 

n  Bevohoka i Maria, nefa tsy maintsy nankany Betlehema i Josefa, noho ilay didin’ny emperora Aogosto hoe tsy maintsy misoratra anarana any amin’ny tanàna niaviany avy ny olona rehetra.

Lioka 2. 4-5

4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny mpianakaviny),

5 mba hosoratana izy sy Maria fofombadiny, izay efa bevohoka.

 

n  Nony tonga tany Betlehema i Maria dia nihetsi-jaza. Tsy nahita trano hivahiniana anefa i Josefa sy Maria, ka nony farany dia nijanona tao an-tranon’omby iray. Ary tao, tany Betlehema, no niteraka ny Kristy, Ilay Zaza Izay Andriamanitra, i Maria ; nofonosiny lamban-jaza Izy, ary fihinanam-bilona no fandriana nampatoriany Azy.

Lioka 2. 6-7

6 Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany.

7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona ; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.

 

n  Naniraka anjely Andriamanitra hilaza tamina mpiandry ondry teo amin’ny manodidina ny vaovao mahafaly momba ny nahaterahan’Ilay Kristy Mpamonjy. Dia nisy anjely marobe niseho, nankalaza an’Andriamanitra noho io fahaterahana hitondra fiadanana eto an-tany io sy hahafahan’Andriamanitra ihany koa hahita fifaliana eo anivon’ny olombelona. Koa na dia tsy niraharaha ny fahaterahan’ny Mpamonjy aza izao tontolo izao, dia nankalaza izany kosa ny lanitra iray manontolo.

Lioka 2. 8-14

8 Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina.

9 Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.

10 Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ;

11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.

12 Ary izao no ho famantarana ho anareo : ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona.

13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe :

14 Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra !

 

n  Nankany Bethlehema ireo mpiandry ondry. Hitany ilay Zaza vao teraka, dia i Kristy, noho ny famantarana nomena azy ireo.

Lioka 2. 15-16

15 Ary tamin’izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe : Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika.

16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.

 

n  Notantarain’ireo mpiandry ondry tamin’ny manodidina azy ny vaovao mahafalin’ny fahatongavan’Ilay Kristy Mpamonjy eto an-tany, naka endrika zazakely.

Lioka 2. 17-19

17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany.
18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’izay zavatra nolazain’ny mpiandry ondry taminy.

19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.

 

n  Anjaran’ireo mpiandry ondry indray ny nankalaza an’Andriamanitra.

Lioka 2. 20

20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

 

n  Noforana araka ny fomba jiosy i Jesosy, izany hoe nasiana marika ny nofony hanaporofoana fa anisan’ny vahoaka jiosy Izy ary natokana ho an’Andriamanitra.  

Lioka 2. 21

 21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe JESOSY ny anarany, araka ilay nataon’ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.

 

Tadidiako fa :

Nomena tombontsoa manokana i Josefa sy Maria, ka nofidina handray sy hanabe Ilay Zaza Izay Andriamanitra. “Fa rehefa tonga ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy(Galatiana  4. 4) —“nateraky ny vehivavy”, satria marina fa Jesosy dia Andriamanitra, nefa tena olombelona ihany koa Izy. Koa avy amin’ny vehivavy no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany, mba hanatanteraka ireo fampanantenan’Andriamanitra, indrindra ilay fampanantenana voalohany natao taoriana kelin’ny fahalavoan’ny olombelona voalohany, milaza fa ny Zanak’Andriamanitra —natera-behivavy— dia ho avy eto amin’izao tontolo izao handresy an’i Satana ka hanafaka ireo izay nandevoziny : “Izy (ny taranaky ny vehivavy, ny Zanak’Andriamanitra) hanorotoro ny lohanao (lohan’i Satana), ary ianao (Satana) kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony (eo amin’ny hazofijaliana)” (Genesisy 3. 15).

 

 

NANKANY AMIN’NY TEMPOLY TAO JEROSALEMA I JOSEFA SY MARIA

MBA HANOLOTRA AN’I JESOSY ZAZA HO AN’ANDRIAMANITRA

 

n  Notanterahin’i  Josefa sy Maria avokoa izay nandidian’ny lalànan’Andriamanitra momba ilay Zaza : nanolotra “domohina roa, na zana-boromailala roa” izy ireo, izay fanatitra kely indrindra noheverina hataon’ny mahantra.

 

Lioka 2. 22-24

22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalànan’i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ny Tompo

23 —araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe : “Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an’i Jehovah” (Eks. 13. 2)

24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe : “domohina roa, na zana-boromailala roa” (Lev. 12. 8).

 

n  Nambaran’Andriamanitra tamin’i Simeona, lehilahy tia vavaka niandry ny fiavian’i Kristy, fa io Zazakely ao amin’ny Tempoly io no Ilay Mesia nampanantenaina. Taorianan’izany fanambarana nataon’Andriamanitra izany, dia nisaotra an’Andriamanitra i Simeona, ary naminany momba ny vokatra tsara hoentin’ny fisian’ny Kristy any Israely sy eo amin’izao tontolo izao. Dia nambarany ihany koa fa Jesosy no ho fisedrana hampisehoana ny toetran’ny fon’olombelona.

Lioka 2. 25-35

25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema ; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Israely ; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.

26 Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo.

27 Ary nentin’ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan’ny tempoly izy ; ary rehefa nampidirin’ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ny lalàna ny amin’ny zaza,

28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe :

29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana, araka ny teninao ;

30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,

31 Izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,

32 Dia fahazavana hahazava ny firenena

Sady voninahitry ny Israely olonao.

33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.

34 Ary Simeona nitsodrano azy ireo ka nanao tamin’i Maria, renin’ny Zaza, hoe : Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Israely ary ho famantarana holavina

35 —ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra— mba haseho ny hevitry ny fo maro.

 

n  Ana, vehivavy mpivavaka sady mpaminany, dia nahita fa io Zaza tao amin’ny Tempoly io no Ilay Kristy nandrasana. Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ary nanambara ny fahaterahan’ny Kristy tamin’ireo olona rehetra niandry Azy tao Jerosalema.  

Lioka 2. 36-38

36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’i Fanoela, avy tamin’ny firenen’i Asera ; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ny vadiny fito taona taorian’ny naha-virijina azy,

37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona ; ary tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’alina.

38 Ary nony niditra tamin’izany ora izany izy, dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.

 

n  Nisy mpahay kintana (antsoina hoe “magy”) nahalala ny faminaniana momba ny kintana hanambara ny fahaterahan’ny mpanjakan’ny Jiosy : “Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ny Israely(Nomery 24. 17).  Koa niainga avy any Atsinana izy ireo, satria nahita io kintana io. Nankany amin’ny lapan’ny mpanjaka Heroda izy ireo hanontany momba ny toerana nahaterahan’ny “Mpanjakan’ny Jiosy”.

Matio 2. 1-2

1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema any Jodia, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe :

2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.

 

n  Nony nandre ny fahaterahan’ny “Mpanjakan’ny Jiosy” any Betlehema i Heroda, izay nanjaka tamin’izany fotoana izany tany Jodia, dia natahotra hoe hanjary fahavalony io mpanjaka io, ka nampiasa ny magy hahazoana vaovao mba hamonoana Azy.

Matio 2. 3-9

3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra.

4 Dia namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy hoe : Aiza moa no hahaterahan’i Kristy ?

5 Ary hoy ireo taminy : Ao Betlehema any Jodia ; fa izao no voasoratry ny mpaminany :

6 “Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ny Joda,

Tsy dia kely indrindra ao amin’ny andrianan’ny Joda ianao tsy akory ;

Fa avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka,

Ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko” (Mik. 5. 1).

7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ilay kintana.

8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe : Andeha, fotory tsara ny amin’ilay Zazakely ; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

9 Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa ; ary indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.

 

n  Nony nahita an’i Jesosy Zaza ny magy, dia niankohoka teo anatrehany, nanaja Azy ho Ilay “Mpanjakan’ny Jiosy”, ary nanolotra fanomezana ho Azy. Koa tamin’izany dia olona tsy Jiosy, olon-kendry avy any Atsinanana, no nanome voninahitra ny Zanak’Andriamanitra.

Matio 2. 10-11

10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany ; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.

 

n  Nampitandreman’Andriamanitra ireo magy, ka nahatakatra ny sain-dratsin’i Heroda. Koa dia lalan-kafa no nizorany nody. Rava tamin’izany ireo tetik’i Heroda hamono an’i Jesosy.

Matio 2. 12

12 Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda, dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

 

n  Narovan’Andriamanitra Jesosy Zaza tsy hiharan’ny haratsiam-panahin’i Heroda, ka nilazany i Josefa handositra any Egypta miaraka amin’ny fianakaviany. Koa tanteraka ny teny nampilazain’Andriamanitra, tamin’ny alalan'ny mpaminany Hosea hoe : handositra any Egypta ny Kristy, ny Zanak'Andriamanitra.

Matio 2. 13-15

13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe : Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao ; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta ;

15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’i Jehovah ny mpaminany hoe : “Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako” (Hos. 11. 1).

 

n  Natahotra i Heroda hoe indray andro any Jesosy Zaza, “ilay Mpanjakan’ny Jiosy”, dia hanozongozona ny sezafiandrianany. Koa namoaka didy izy hamonoana ny zazalahy rehetra latsaka ny 2 taona tao Betlehema sy ny manodidina. Izany no efa nolazain’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny mpaminany Jeremia : hisy zaza hovonoina rehefa tonga eto an-tany ny Kristy.

Matio 2. 16-18

16 Ary nony efa fantatr’i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin’ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ny Magy.

17 Dia tanteraka izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany hoe :

18 “Nisy feo re tao Rama,

Dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra ;

Rahely nitomany ny zanany,

Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny” (Jer. 31. 15).

 

n  Taorianan’ny fandosirana tany Egypta, dia niverina tany Israely izy mianakavy, tany Nazareta, lavitra an’i Jerosalema sy Betlehema, noho ny tahotra ny mpandimby an’i Heroda. Tanteraka ny nambaran’Andriamanitra : any Nazareta ny Kristy no hihalehibe. “Hatao hoe Nazarena Izy”. 

Matio 2. 19-23

19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Egypta tamin’ny nofy ka nanao hoe :

20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Israely ; fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely.

21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ny tanin’ny Israely. 22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy ; ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ny tany Galilia.

23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe : “Hatao hoe Nazarena Izy.”

 

 

Tadidiako fa :

Tsy maro ny olona tany Israely no niandry ny Kristy, afa-tsy sasantsasany tia vavaka toa an’i Simeona sy Ana. Marihina fa ny nitondra ny Israely dia mpanjaka tena lian-dra sy mpamono olona, Heroda, izay tsy natahotra an’Andriamanitra ary tsy nitandrina ny tenin’ny Lalàna, ka nandika ny didin’Andriamanitra momba ny toetra tokony hananan’izay hanjaka amin’ny vahoakany : “Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ireo Levita mpisorona. Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba ho maro andro amin’ny fanjakany eo amin’ny Israely izy sy ny taranany(Deoteronomia 17. 18-20).

 

Efa hitantsika fa anarana roa sahady no efa nomena Ilay Zaza Izay Andriamanitra : Jesosy (Matio 1. 21), midika hoe “Andriamanitra Mpamonjy”, sy Imanoela (Matio 1. 23), midika hoe “Andriamanitra amintsika”. Manampy izany izao ny hoe “Nazareana”, ilazana fa hatrany am-boalohany dia natokana Jesosy, nosarahana ara-toe-panahy sy saina tamin’izao tontolo izao, ary natokana ho an’Andriamanitra (araka ny Nomery 6). Jesosy dia ho olom-pirenena tsy fantatra akory ao amin’ny tanànan’i Nazareta, tanàna notsinontsinoavina, ary Natanaela, izay ho mpianatr’i Jesosy atỳ aoriana aza, dia nilaza hoe : “Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta ?” (Jaona 1. 47)

 

 

NANKANY AMIN’NY TEMPOLY JESOSY, IZAY VAO 12 TAONA MONJA,

NANDRITRA NY FIVAHINIANY TANY JEROSALEMA

 

Nitombo toy ny zaza rehetra Jesosy, saingy nisy zavatra sasantsasany nampiavaka Azy, ohatra :

-    feno fahendrena Izy ;

-    nahita fitia teo imason’Andriamanitra Izy ;

-    izay rehetra ao anatiny sy ao amin’ny fiainany dia nankasitrahin’Andriamanitra feno.

Nony 12 taona Izy, dia nankany Jerosalema, tamin’ny fetin’ny Paska.  

Lioka 2. 40-45

40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena ; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy.

41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska.

42 Ary rehefa roa ambin’ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana.

43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany ;

44 ary satria nataony fa niaraka tamin’ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha làlana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany.

45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.

 

n  Jesosy, Izay nankafy mandrakariva ny Lalànan’Andriamanitra (ho antsika, ny Tenin’Andriamanitra), dia nipetraka tao an-tempoly, teo afovoan’ireo olona mahalala betsaka ny Testamenta Taloha, ny mpahay Lalàna. Nihaino azy ireo Izy ary nametra-panontaniana taminy, ka nihazona ny toerana sahaza ny taonany Izy tamin’izany, nefa nomarihina kosa noho ny fahendreny, ilay fahendren’Andriamanitra izay tena mahalala mandrakariva ny tokony hatao.

Lioka 2. 46-47

46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.

47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.

 

n  Sambany izao, ary tsy teo imasom-bahoaka sady amina fiteny somary miafina, no anambaran’i Jesosy ny maha Zanak’Andriamanitra Azy, raha namaly ny ray aman-dreniny nitaintaina Izy, hoe : “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho ?”.

Lioka 2. 48-50

48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy : Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Ianao ? He ! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao !

49 Fa hoy Izy taminy : Nahoana no nitady Ahy ianareo ? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho ?

50 Nefa tsy azon’ireo ny teny izay nolazainy taminy.

 

n  Nankatò tsotra fotsiny ny ray aman-dreniny Jesosy, ary nihalehibe sy nitombo fahendrena ; koa nankasitrahin’Andriamanitra sy ireo manodidina Azy Izy.

Lioka 2. 51-52

51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.

52 Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

 

Tadidiako fa :

Efa eo amin’izao tontolo izao ny Kristy ankehitriny, saingy any aoriana Izy vao hiseho ampahibemaso amin’ny vahoaka Israely. Tsy dia nisehoseho firy Izy, nandritra ireo taona voalohany niainany, hita ho feno fahendrena ; nibahana tao anatiny ny Tenin’Andriamanitra ary nianarany, ka dia nankasitrahin’Andriamanitra sy ny olona Izy. Aoka hotadidiana fa ny raharahanny Rainy no nataony ho ambony noho ny zavatra hafa rehetra. Ohatra toa inona re izany, ho antsika ! 

 

 

JCK